Tena fahasahiana goavana ny an’ireto andian’olona tsy fantatra, ny alatsinainy tolakandro tokony ho tamin’ny 4 ora teo, fa avy hatrany dia nanambana basy kalaky sy PA ity rangahy iray naka aina tao an-tokotanin’ny Tafika Toamasina, “Mess” teo aloha, ary nalain’izy an-keriny taorian’izay. Tsy fantatra ny tena antony fa hagagana avokoa ny an’ireo olona nahita izany, izay vaky nandositra noho ny zava-nisy. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso ity tranga hafahafa ity, dia voaambana basy avokoa ireo olona nandalo tamin’ity tany malalaky ny Tafika ao akaikin’ny hopitaly be Toamasina ity. Isan’izany ireo mpanatitra sakafon’ny marary sy ireo mponina manodidina mpanao hitsin-dalana ao. Basy mahery vaika toy ny kalaky no nampiasain’ireo andian’olona manambana basy ireo mpandalo sy ilay rangahy maka aina am-bodihazo ; izay efa ela no nandrinandry telo raha ny fanazavana hatrany. Raha ny fanazavan’ny manodidina hatrany, dia fiara tsy mataho-dalana roa no nitondra ireto andian’olona nirongo kalaky ireto; izay tsy avy amin’ny Tafika na mpitandro ny filaminana mihitsy. Nanaraka azy ireo tamin’izany ny tovolahy roa samy nitondra môtô Jog iray avy. Ankoatra ireo andian’olona nitondra kalaky, dia nisy olona iray manana endrika karana koa nivoaka avy tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay nitondra basy PA. Taorian’izay dia nobedain’izy ireo ilay rangahy dia nampidiriny tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray ary lasa izy ireo, nanara-dia azy ireo taoriana ihany koa ireto olona roa nitondra Jog. Hatreto aloha, dia tsy fantatra ny tena anton’izao zava-nisy tao an-tokotanin’ny Tafika Toamasina izao. Ho an’ireo nahita ny zava-nisy, dia tena fahasahiana goavana ny an’ireto andian’olona ireto. Andrasana noho izany izay ho fanazavana entin’ny Tafika tompon-tany sy ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier