Tsy diso mihitsy ny ahiahy, fa olona efa niasa teo anivon’ny toerana nitrangan’ny vono olona no mety ho tompon’antoka tamin’izany. Lehilahy efatra no eo am-pelan-tànan’ny polisy misahana ny heloka bevava ankehitriny. Ny roa efa voasambotra mialoha ary efa notazonina elaela teo anivon’io sampana io ary ny roa kosa voasambotra, omaly. Ny iray amin’ireo dia mpiasa teo aloha teo anivon’ny Gastro pizza etsy amin’ny Bypass. Ny ambiny kosa, dia ahiana ho mpiray tsikombakomba taminy. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia tsy ireo ihany no mety ho tompon’antoka ary mbola misy olon-kafa maromaro karohina ankehitriny. Isan’ny tadiavina ny fitaovana nentin’ireo nanatontosa ilay fanafihana ary indrindra koa ny « caméra » sy ny horonan-tsary izay mifandraika amin’ilay asaratsy. Hatramin’ny voalohany, dia efa fantampantatra fa tsy maintsy olona mahafantatra tanteraka ny fiasa sy ny fipetraky ny lamina rehetra momba ny fiambenana io toerana io no nanatontosa ny fanafihana. Ny tena nalehan’ny sain’ny maro aza, dia ny hoe mety ho olona niasa teo aloha teo anivon’ilay orinasam-piambenana no tompon’antoka. Saingy ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana, dia nizotra kokoa tany amin’ny mpiasa teo aloha tao amin’ilay toerana notafihana. Raha tsiahivina, dia mpiambina roa no maty notsatohana antsy. Ny iray mbola nentina tany Andoharanofotsy ary nasaina nitady ny mpitam-bola tao an-tranony, tao anatin’ny alim-be. Tafaporitsaka tampoka anefa io ary niafina tao amin’ny trano teo akaiky teo. Ny ratsy dia mbola hitan’ireo olon-dratsy ihany ny nisy azy ary rehefa tratra izy dia nodidiana antsy ny tendany. Habibiana tsy roa aman-tany toy izany no nanjo ity mpiambina voalohany namoy ny ainy ity. Rehefa izay, dia niverina tany amin’ny By-Pass ireo jiolahy ary rehefa tezitra izy ireo satria tsy hita ny mpitam-bola izay hany manana ny « code » afaka mahavaha ny vata fitehirizam-bola, avy hatrany dia novonoin’ireo tamin’ny tsindron’antsy maro teo amin’ny kibony sy ny lamosiny ihany koa ilay mpiambina faharoa. Helokabevava izay niteraka savorovoron-tsaina teto Antananarivo sy ny manodidina ity nitranga ity ary isan’ny arahin’ny olona maso akaiky ny fivoaran’ny fanadihadiana. Raha nahavita namono olona roa tsy amin’antony mantsy ireo jiolahy ireo, dia heverina fa mbola hatahorana hahafaty olon-kafa koa eo amin’ny fiarahamonina sy mandritra ny fanafihana hafa; izay mbola mety hotontosainy. Raha misy arak’izany ny tokony hatao, dia ny fampitandremana maika ny olona. Ohatra akaiky, raha vao azo ny sary na kisarisary mitovy amin’ireo (portrait robot) dia mila aparitaka haingana mba hahafahan’ny olona mandray andraikitra. Izay fampandraisana anjara ny olona izay amin’ny famahana ny raharaha momba ny heloka bevava, dia isan’ny tena ilaina, indrindra amin’izao fotoan’ny teknolojia efa mandroso izao.
D.R