Natao ny talata 4 septambra teo, ny fametrahana ny vato fehizoro sy ny hady fototra mikasika ny fanamboarana ilay trano manokana ho an’ireo mpisolovava eto Toamasina. Eo an-tokotaniben’ny fitsarana aty anoloana no hametrahana izany, ka araka ny fanazavana nentin’ny delegen’ireo mpisolovava eto Toamasina, ny Me Rabenjarijaona Antonio, dia natao izao trano izao mba tsy handeha lavitra intsony ireo olona manan-draharaha ka mila mpisolovava amin’ny raharaham-pitsarana ilainy. Sady manana trano ny mpisolovava no manana olona atonina amin’ny filany koa ny vahoaka. Isan’ny antony nanaovana ity tranon’ny mpisolovava eto Toamasina ity ihany koa, ny fahamaroan’ny mpisandoka ny asan’izy ireo eo anivon’ny fitsarana ka miteraka endrika ratsy ho an’ny mpisolovava, efa nisy rahateo ireo tratra tamin’izany ; izay fianakaviana mpitsara ihany ary efa mamita ny saziny any am-ponja ankehitriny. Eo koa ireo mpanera marobe loatra ka lasa mampanano sarotra ny mpila raharaha eo anivon’ny fitsarana sy manasoketa mpisolovava sy mpitsara amin’ny fakan’ireto mpanera vola be aman’olona, nefa tsy mahazo ny filany ireo mpanan-draharaha. Hatomboka dien’izao ny asa, satria heverina fa hotokanana ny faran’ny volana novambra izao izany trano izany. Niatrika izao lanonana tsotra nefa manan-tantara izaon ny tonia mpampanoa lalàna ambony vaovaon’ny fitsarana ambony eto Toamasina, sy ny tonia mpampanoa lalànan’ ny Repoblika ny fitsarana ambatonga voalohany, ary ireo mpisolovava miasa eto Toamasina ihany koa.
Malala Didier