Nitondra fanazavana mikasika ilay fanafihana niseho tao Mahatsinjo, kaominina Ambano, ny teo anivon’ny mpitandro filaminana, omaly alarobia 5 septambra, teto Antsirabe. Tamin’izany no nahalalana, fa 11 no vosambotra hatreto ary basy kalaky iray sy basy poleta vita gasy roa miampy sy moara no sarona niaraka tamin’ireo jiolahy ireo. Ny alin’ny sabotsy 1 septambra no nisehoan’ny fanafihana , jiolahy manodidina ny folo no nanafika tokantranona mpivarotra fiara sady mpamongady, tao amin’ny kaominina Ambano, distrika Antsirabe II. Voalaza fa vao avy nahalafo fiara io tokantrano io ka ny handroba azy no nahatongavan’ireo jiolahy. Mailo anefa ny fianakaviana, satria nahazo fampandrenesana mialoha. Mpitatitra olona amin’ny môtô mampitohy an’Ambano sy Antsirabe no nahatsikaritra andian-dehilahy mampiahiahy mikononkonona tao amina vohitra iray tao Ambano. Nampandre ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra, ny fisian’ireo andian-jatovo ireo ity mpitondra môtô ity ka nandray fepetra avy hatrany ny fokonolona nanao fiambenana. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina, indreo fa tonga nanafika ny tanàna tokoa ireo andian’olona ireo niaraka tamina basy sy zava-maranitra. Ilay tokantrano voalaza etsy ambony no lasibatra. Tsy nitsitsy ireo jiolahy, fa avy hatrany dia nitifitra ny tompon-trano teo amin’ny tongony sady nangataka ny hamoahana ny vola. Nametraka ny paikady ny fokonolona tety ivelany vao nahare ny feom-basy nipoaka. Raikitra ny fifanenjehana, voatery nanao tari-dositra ny fokonolona. Na teo aza ny hery tsy mitovy nanoloana ny basy, dia tsy nihemotra ny fokonolona. Vokany, jiolahy iray no azo sambo-belona. Ity farany avy teo no nanoro ny namany ka nahatrarana ny folo. Marihana fa ny marainan’ny fanafihana ihany, dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy sy ny zandary niara-niasa ka nahazoana izao vokatra izao. Ankoatra izay, dia nandritra ny fisavana ny tranon’izy ireo no nahitana kalaky iray sy basy poleta vita gasy ary moara isan-karazany.
Araka ny fanazavana, dia efa tambajotra mihitsy no misy ireto jiolahy ireto, satria miparitaka eto Antsirabe, Betafo sy Antananarivo ny asa ratsiny. Nisy tamin’ireo 11 voasambotra ireo no mpikambana amin’ilay fikambanana zazamainty sy zazamena manao ny asan’ny mpitandro filamianana any ambanivohitra. Ankoatra izay, miaramila efa voaroaka tamin’ny asany noho ny fandikan-dalàna sy tsy fanarahana fitsipika ihany koa ny iray tamin’ireo jiolahy voasambotra ireo.
Andry N.