Fanondranana sokatra no nanenjehana azy ireo ara-pitsarana. Natao tao anaty valizy roa ireo biby arovana sy tsy azo hamidy ary tafiditra soa aman-tsara tao anatin’ny fiaramanidina. Eo indrindra no mipetraka ny olana satria hatreto dia tsy misy afats’ireo olona izay mpibata entana miasa eo anivon’ny seranam-piaramanidina ihany no niharan’ny fisamborana sy famonjana vonjimaika. Zava-misy izay mampimenomenona ny mpiasa sasany eo anivon’io toerana io, indrindra raha nisy feo nandeha fa misy olona iray izay nitsoaka taorian’ny fanondranana ireo sokatra ary koa nisy fizaram-bola izay nandeha. Momba ity raharaha ity dia fantatra fa tany ivelany, teo anivon’ny seranam-piaramanidina iray tao Afrika no sarona ireo sokatra
D.R