- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Mpitrandraka volamena roa, maty sempotra tao anaty lavaka

Maevatanàna : Mpitrandraka volamena roa, maty sempotra tao anaty lavaka

Maevatanàna : Mpitrandraka volamena roa, maty sempotra tao anaty lavaka

Am-polony izy ireo no indray sempotra tao anatin’ity lavaka mangitsokitsoka, fiadiana volamena tany amin’iny distrika Maevatanana iny, ny sabotsy lasa . Raha avotra soa aman-tsara ny sasany, roa tamin’ny mpitrandraka kosa no namoy ny ainy vokatr’izany.

Malaza amin’ny  volamena raha iny faritra Betsiboka iny. Tsy mbola nisy anefa hatreto aloha ny loza nahazo ireo mpitrandraka, nandritra ny volana maromaro izay, raha ity nitranga tao amin’ny kaominina Ambalarano, ny sabotsy lasa teo ity. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana mantsy, dia mpihady volamena am-polony any ho any no in-dray sempotra raha mbola tavela tao anaty ny lavaka fiadiana izany vato sarobidy izany izy ireo; izay manana halalina tokony ho 30 metatra eo ho eo. Vokatry ny setroka mainty navoakana milina mpitroka rano no antony. Mazava ho azy fa nitambolona tao anaty lavaka tao fotsiny ity entona mapidi-doza ity, fa tsy afaka  nivoaka. Etsy an-danin’izay ihany koa ny tsy fisian’ny rivotra mifamezivezy, raha izay halalin’ny lavaka izany, ka nahatonga fahasemporana tamin’io mpiasa. Raha ny vaovao hatrany, dia toa hoe efa fanaon’ireo mpiasa ireto no mitondra io milina mpitroka rano io any ambanin’ny tany, saingy hatramin’izay dia tsy naninona ilay izy ary mivoaka ara-dalàna ety ambony ny setroka navoakany. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia niverina ary nanenika ilay toerana fitrandrahana tany ambanin’ny tany izany. Antsoantson’ireo mpitrandraka no henon’ireo tety ivelany ka nampikoropaka azy ireo. Teo no ho eo ihany dia niara-nisalahy ny rehetra tamin’ny famonjena ireo mpiasa. Maro ireo tsy nahatsiaro tena sy voatery nidinana tany anaty lavaka tamin’ireo mpiasa ary anisan’izany ireto roa lahy izay efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ireo mpiasa hafa kosa, dia efa nentina avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana. Efa nampandrenesina mahakasika ity loza mitranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary eny am-pelan-tanan’izy ireo ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici