- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Nisy nitoraka baomba ny tranon’ny kandidà Arlette

Ambondrona : Nisy nitoraka baomba ny tranon’ny kandidà Arlette

Baomba vita gasy. “Cocktail Molotov” no nisy nitoraka tamin’ny tranon’ny kandidà Ramaroson Arlette. Ny alin’ny asabotsy teo no nisian’izany, saingy tsy tsikaritra raha tsy ny marainan’ny alahady. Tsy nipoaka ilay baomba ary mbola teo kosa ny pitsopitsony momba izany toa ny lahiny; izay vita amin’ny voron-damba sy ny tavoahangy feno lasantsy. Teo amin’ny vavady izany no hita nipetraka tsara ny marainan’ny omaly. Nampandrenesina ny polisy  misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ary nanao ny fanadihadiana rehetra izay nilaina teny an-toerana. Isan’ny fantatra, fa naheno zavatra nidoboka ny tao an-trano, ny alin’ny asabotsy saingy tsy nisy nanam-po na inona na inona. Inona ny anton’ity figafiana ity? Raha ny marina dia kandidà izay tsy mbola manana olana loatra amin’ny hafa ity kandidà ity. Nivoaka avy ao anatin’ny firaisamonim-pirenena aza no tena nahafantarana azy ary niteny izay tsy mety, toa ny rehetra ihany. Endrika fampitandremana ve sa fandrahonana ity nitranga ity? Mila mailo avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, satria efa nahafaty olona maro ny fikirakirana baomba vita gasy toy izao, tamin’ny fotoana nampafana ny raharaha politika teto amintsika, indrindra tamin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita farany teo. Tsy nisy tanjona ankoatry ny fanakorontanana ara-politika ny tanjon’ireo mpanamboatra sy mpametraka baomba tamin’izany fotoana. Ankehitriny, miverina indray ilay fanao ary mampanontany tena ny amin’izay mety ho tanjona. Indrindra koa, any amin’ny kandidà izay tsy tena neritreretina loatra fa tokony hiharan’izany no misy manakorontana. Raha tsiahivina dia governemanta manana andraikitra tokana ny governemanta ankehitriny, dia ny fanomanana ny fifidianana izany. Isan’ny ngeza indrindra tokony hampian’izy ireo  dia ny fampandriana ny fahalemana, satria io no antoka lehibe voalohany hahatontosa ara-dalàna na tsia ny fifidianana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici