- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Jiolahy nandroba vavy antitra

Ambatomaro : Jiolahy nandroba vavy antitra

Omaly maraina be, bandy iray no voalaza fa nandroba vavy antitra 67 taona teny amin’ny faritra Ambatomaro. Nifoha maraina ilay ramatoa mpivarotra hanimasaka namelona afo teo an-tokotaniny. Tamin’izay indrindra no tonga ity jiolahy ity. Nototany tapa-biriky ilay vavy antitra ary notakiana vola. Tsy nisy anefa ny valinteny azon’ilay bandy. Niantso vonjy ilay ramato ary taitra ny zafikeliny tao an-trano. Ilay jiolahy tamin’io fotoana io tafiditra tany amin’ny trano fandraisam-bahiny ary nampirehitra jiro. Hitan’ilay zafikely izany ary avy eo novonoiny ny jiro. Nampirehetin’ilay olon-dratsy indray anefa izany. Rehefa fantatr’ilay mpandroba fa ho tratra izy dia nitsambikina avy any amin’ny “terrasse” ny anao lahy. Latsaka tamin’izany ny karapanondrony. Avy amin’io no nahatratrarana azy. Anio no hatolotra ny Fampanoavana ity mpandroba ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser