- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Moto an-jatony sy fiara enina kilan’ny afo teo amin’ny parking

Ambohipo : Moto an-jatony sy fiara enina kilan’ny afo teo amin’ny parking

Tokony ho tamin’ny misasakalina sy sasany no nanomboka ny afo ary tsy voafehy intsony raha tsy adim-pamataranandro maromaro taty aoriana. Kiaka sy tomany sisa no niainan’Ambohipo ny zava-nitranga, indrindra fa ireo tompon’ny fiara sy moto izay napetraka teo amin’ilay parking. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, tao amin’ny trano hazo iray izay raha araka ny fanazavan’ny fiaraha-monina, dia nisy afon-dabozia tsy maty, ka io no nitarika ny loza. Vetivety dia nihanaka izany ary nahazo ny trano hazo hafa teo amin’ny manodidina ary hatramin’ny trano vita biriky aza dia may koa. Toa izay nahazo ny toeram-pivarotana pizza iray izay tsy nifanalavitra teo. Vetivety dia niparitaka ny afo satria mora nahazo vahana izany noho ilay toerana somary vavarivotra. Niampita tsirairay tamin’ny moto izay nipetraka teo ny afo ary na tonga aza ny mpamonjy voina ka nanao izay ho afany dia tsy voatazona intsony raha tsy namotika zavatra maro ny afo. Moto an-jatony rehefa nisaina ary fiara enina. Tsy nisy noraisina intsony ireo rehetra ireo, ankoatra izay sasantsasany nipetraka teo akaikin’ny sisin’ilay toerana ka tonga teo ny tompony. Azo isaina amin’ny ratsan-tànana izany ary ny sasany aza mbola nifanampiana natosika ho an’izay tsy nisy fanalahidy. Nandeha teo an-toerana ny feo fa mpivady niady ka samy niala tao an-tranony no anton’ny loza. Navelan’ireo tao fotsiny izany ny labozia mbola nirehetra ary nahazo ny trano hazo izany ka tsy tana intsony. Mbola siosion-dresaka teo hatrany no nahenoana fa nitsoaka ny tompon’ny trano taorian’ny zava-niseho. Nijoalajoala ny afo ary tena tsy afa-nanoatra ny olona satria mety nihatra aman’aina ny fidirana namonjy izany. Samy nibanjina avy lavitra ny fananany nolevonin’ny afo fotsiny izany. Maloka tanteraka ny endrik’ireo tompon’ny entana samba, izay tonga vao maraina ary nanamarina raha potika ny azy. Raha ny marina dia tsy nisy tsy potika ny ankamaroan’izay moto sy fiara nipetraka tao. Omaly no nanokatra fanadihadiana ny polisy. Isan’ny mahaliana ny maro ny hoe mety ho azo heverina ve ny hamerenana ny fananan’izy ireo izay simba, na ampaham-bola aza? Hatraiza ny andraikitry ny mpiahy? Ary ahoana ny momba ny tompon’ny trano izay niandohan’ny afo? Tsy mbola nisy voavaly izany omaly ary dia samy noraisina avokoa fotsiny aloha ny adiresin’ireo tra-doza.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici