- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila lavon’ny dahalo : Efa hita ny basiny, tsy nisy bala intsony

Miaramila lavon’ny dahalo : Efa hita ny basiny, tsy nisy bala intsony

Tokony ho tamin’ny valo ora maraina, ny alahady teo no tonga tany amin’ny toerana nitrangan’ilay fifandonana mahery vaika teo amin’ny dahalo sy ireo mpanara-dia ka nahafaty miaramila iray, tany Tsiroanomandidy, ireo mpitandro filaminana tonga nanampy avy any Tsiroanomandidy. Nisy avy hatrany ny savahao ny manodidina nataon’izy ireo. Tamin’izany no nahitàna ny vatana mangatsiaka an’ilay miaramila lavo an-tanim-piadiana, efa rotiky ny bala. Araka ny vaovao ihany koa dia hita tsy lavitra azy teo ny basiny, izay voalaza fa nalain’ireo dahalo. Saingy efa tsy nisy bala intsony tao anatiny, izay inoana fa lasan’ireo malaso nitifitra azy. Tamin’io fotoana io ihany moa no nolanjain’ny fokonolona ny nofony, niala teo amin’ny toerana nisian’ilay fifandonana mandra-pahatonga teo Antanetibe. Teo indray no noraisin’ny fiara hiakatra an’i Tsiroanomandidy, narahana mpitandro filaminana hatrany. Marihana fa ny sabotsy hariva teo ho eo no raikitra io fifandonana mahery vaika teo amin’ireo andian-dahalo avy nangalatra omby sy ireo fokonolona mpanara-dia, nampian’ity miaramila mahery fo ity, tao ao Avarapasika, ao amin’ny kaominina Soanierana, distrika Tsiroanomandidy. Mbola mitohy kosa moa etsy an-danin’izay ny fikarohana ireo olon-dratsy any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici