- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpandraharaha voatafika amin’ny andro antoandro

Ambatondrazaka : Mpandraharaha voatafika amin’ny andro antoandro

Na  dia vao tamin’ny 9 ora maraina aza ny andro dia jiolahy 4 mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika  toy ny basy poleta no nikasa hanafika mpandraharaha teto Ambatondrazaka ary nanomana ny paikady hanafihana  tao amin’ny tokantrano iray  .Nalaky ny fampitam-baovao nataon’ireo olon-tsotra tamin’ny mpitandro ny filaminana  ka dia nidina teny an-toerana ny polisim-pirenena  hizaha ny raharaha ,  kinanjo vao nitsidika ilay trano dia  notifirin’ireo jiolahy avy hatrany, ka dia raikitra ny fifampitifirana, nirefodrefotra ny feom-basy tao amin’ny fokontany Tanambao Ambohimasina Ambatondrazaka ny marainan’ny  alahady faha-09 septembra 2018 ,nampanano sarotra ny polisy ny  fisamborana  noho ny fivoahan’ireo olona maro te hijery ny fifandonana, ka nisy renim-pianakaviana iray saika matin’ny bala  ka nitandrina ireo polisy , hany ka tafaporitsaka ny telo tamin’ireo jiolahy fa ny iray kosa azo sambo-belona

Lasa fiheren’ny jiolahy ny trano fianarana. Sekoly iray eo Tanambao no toerana fiheren’ireto jiolahy ireto noho io trano fianarana io matetika mihidy vokatry ny fitokonan’ny mpampianatra  tato ho ato, ao izy ireo no matory ny alina rehefa avy mandositra avy any amin’ny toerana avy nanafihan’izy  ireo any, ka sodoka ny rehetra tsy manampo ilay trano mihidy anefa dia ampovoan’ny tanàna. Mihorohoro tanteraka ny eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao ,ary efa maro ireo manarama mpitandro ny filaminana hiambina ny trano fivarotana, ny fokotany ihany koa dia manarama mpitandro ny filaminana amin’ny alina, tahaka ny ao Tanambao. Manao antso amin’ny rehetra ny mpitandro ny filaminana amin’ny tsy tokony hivoahana ny trano rehefa misy ny fifampitifirana tahaka ireny sao matimaty foana. Mandeha ny fikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka amin’izao fotoana izao, ary noraofina avokoa ireo farafara fandrian’ireto jiolahy tao amin’ny trano fianarana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici