- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntanandrano : Vehivavy mpivarotra rongony voasambotra

Antanandrano : Vehivavy mpivarotra rongony voasambotra

RONGONYOlona tsara sitrapo no nanome vaovao ny polisy fa misy mpivarotra sy mpamatsy rongony eny amin’ny faritra Antanandrano eny. Avy hatrany dia nankeny an-toerana ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy raha vao nahare ny antso ny 14 may lasa teo. Ramatoa iray antsoina hoe Memena 38 taona no tratra tao an-tranony teo am-pivarotana rongony. Ity ramatoa ity no mpamatsy rongony amin’iny faritra Antanandrano iny. Ka tratra tao an-tranony ny rongony 3 kg. Niaiky izy tamin’ny fanadihadiana natao azy fa izy no tompon’ireto rongony ireto ary 2 volana izay no nanombohany nivarotra izany.

Ramatoa iray antsoina hoe Noeline no mpamatsy azy an’ity rongony ity ary avy any Tsihombe no fiavian’ny entana. Isaky ny 2 herinandro no tonga manatitra entana ao aminy ity farany ary 20 000 ar no handraisany ny iray sachet , ka amidiny 40.000ar avy eo. Nolazainy ihany koa tao anatin’ny fanadihadiana natao azy fa noho izy tsy an’asa no hivarotany rongony. Tratra teo am-pividianana rongony tao aminy koa moa ny lehilahy antsoina hoe Vatsy, 22 taona ary nahatratrarana fonosana 6 teny aminy. Efa natolotra ny fampanoavana ny andron’ny alakamisy ny raharaha.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser