- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVadin-tany sy mpanao lavanty : Misokatra ny fifaninana handraisana olona zato

Vadin-tany sy mpanao lavanty : Misokatra ny fifaninana handraisana olona zato

Heverina ho maro izahay vadintany sy mpanao lavanty miasa eo anivon’ny fitsarana ambataonga voalohany sy ny distrika manerana ny nosy, nefa raha ny marina dia mbola tsy tratra ny fetr’isa takian’ny lalana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty Me Rasamimaka Mahefalahy, noho izany dia hanomana fifaninana handraisana olona 100 ny minisiteran’ny fitsarana miaraka amin’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, mba hanatrarana aloha na amin’ny ampahany ihany ny fetr’isa takian’ny lalana mikasika ny isan’ireto vadintany sy mpanao lavanty ireto. Efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana te-hiditra amin’izany, izay efa azo jerena eo anivon’ireo biraon’ireo vadintany sy mpanao lavanty, ny eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony, ary eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, ny pitsopitsony rehetra ilay mikasika izany; saingy ny tena ilaina dia olona nianatra ny taranja lalàna nahavita ny taona roa voalohany ara-dalana. Tsy hifarana io fandraisana ny antontan-taratasin’ireo te-hifaninana io raha tsy ny 28 septambra ho avy izao, izay haterina na halefa paositra eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana Faravohitra, satria ny 28 sy ny 29 ary ny 30 novambra no hanaovana ny fifaninana izay hizara roa dia ny adina an-tsoratra sy ny adina am-bava. Amin’izay tsy fahampian’ny vadintany sy mpanao lavanty eto amintsika izany, raha ho an’ny faritan’i Toamasina dia miisa eo amin’ny 22 io tsy fahampiana io satria mbola mila vadintany sy mpanao lavanty 03 ny ao Maroantsetra, mila 02 avy ny ao Vavatenina – Soanierana Ivongo – Brickaville – ary Vatomandry, iray avy kosa no mbola ilaina ao Ambatondrazana – Amparafaravola – Andilamena – Moramanga – Anosibe an’ala – Mahanoro – Marolambo – Antanambao Manampontsy – Fenerivo atsinanana – Sainte-Marie – ary Mananara avaratra. Raha ho an’ireo fari-piadidian’ny fitsarana ambony hafa kosa, Antananarivo mbola mila vadintany sy mpanao lavanty miisa 10, ny fari-piadidian’ny fitsarana ambony ao Fianarantsoa mbola mila 34, ny ao Toliara mila 44, ny ao amin’ny fari-piadidian’ny fitsarana ambony ao Mahajanga kosa mbola mila 19, ary ny  fari-piadidian’ny fitsarana ambony ao Antsirananana mila vadintany sy mpanao lavanty 11.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici