Iray volana taorian’ny fanafihan-dahalo nirongo basy mahery vaika nanao sesilany teto Maevatanàna, sy ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, ary ny fisian’ny saika isan’andro ny vaky trano sy fandravana olona na andro na alina, dia nilaza ho leo ny teo anivon’ny Zandarimaria eto Maevatanàna, izay tarihan’ny lietinà-kolonely Armand Zanelisy kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka, ka mila fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny rehetra sy ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany ny tenany amin’ny fifehezana izao firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ato amin’ny faritra Betsiboka izao. Nambarany hatrany mantsy, fa baiko hentitra no nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ho an’ireo Zandary, fa mila filaminana sy fandriam-pahalemana ny vahoaka amin’ny fiatrehana izao fifidianana ho avy izao, sy hiatrehany ny fiainany andavanandro ihany koa. Manoloana izany dia nampitandrina hatrany kosa ny lehiben’ny Zandary eto Betsiboka, fa tsy mandefitra amin’ireo andian-jiolahy sy ireo olon-dratsy mahatonga ny fiainam-bahoaka tsy hilamina, sy ny mpandraraha mitaintain-dava, fa tsy handefitra amin’ireo izay ho tratrany izy ireo, satria misy izao ny « opération mandio », ka na andro na alina dia hamafisina ny fisavana sy ny fanaraha-maso ny tanànan’i Maevatanàna sy ny manodidina.
Ratantely