- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversRN7: Lozam-pifamoivoizana roa samihafa : roa no maty, am-polony ireo naratra mafy

RN7: Lozam-pifamoivoizana roa samihafa : roa no maty, am-polony ireo naratra mafy

Nandriaka tanteraka ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Lozam-pifamoivoizana roa karazana no nitranga omaly maraina, izay samy namoizana ain’olona avy.

Tokony ho tamin’ny fito ora maraina teo no nitranga ny iray, teo amin’ny fokontany Ihazolava, ao anatin’ny kaominina Behenjy. Fiara telo no indray nifandona, vokatry ny fandehanana mafy nataona taxibrousse iray, avy aty an-drenivohitra ho any Fianarantsoa. Vokany, niisa enina ireo olona naratra. Ny iray tamin’izy ireo no voa mafy tanteraka ka tsy tana intsony ny ainy nony tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavàna azo, noho ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra nataon’ity fiara “sprinter” ity dia tsy tafajanona intsony, nony tojo tetezana iray tamin’io PK 53 io. Tetezana izay efa iarahan’ny rehetra mahalala fa lalan-tokana amin’iny lalam-pirenena iny. Niezaka niala ny fiara teo alohany, fiara tsy mataho-dalana iray, ihany ny mpamily  saingy tsy voatanany intsony ny familiana ary nivadika ilay fiara, nitrongy ilay fiara teo aloha. Noho ny dona mafy dia mafy nahazo dia ity farany indray avy eo no nandona fiara iray hafa efa tao anaty tetezana. Nifamonjena avy hatrany ireto fiara tra-doza ireto, ary nentina haingana tao amin’ny hopitaly tao Ambatolampy ireo naratra.

Tokony ho adiny taty aoriana indray, tao amin’ny toerana antsoina hoe Talakimaso, ao amin’ny kaominina Manjakatompo. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia fiarabe “karandalina” avy any Ambovombe no nidona tamin’ny andrin-tany. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia vokatry ny olana ara-teknika nahazo ity fiarabe mpitatitra olona ity no nahatonga ny loza. Tsy nety navily intsony mantsy ilay taxi-brousse ary dia io namarana ny lalany tamina andrin-tany io. Vokany, mpandeha 25 no naratra. Nisy tamin’ireo ihany koa no tena voa mafy ka namoy ny ainy teny an-dalana ho any amin’ny hôpitaly. Vehivavy izy io, raha ny vaovao hatrany.

Niteraka fitohanana goavana tamin’iny ampahan-dalana tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny ireto lozam-pifamoivoizana roa karazana ireto. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niezaka nandamina izany anefa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana izany faritra izany, ary niverina tamin’ny laonina ihany izany ora maromaro taty aoriana. Efa mandeha avokoa kosa ny famotorana mahakasika ireto loza ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici