Toaka voarara aman-jatony litatra, voatsinjara tao anatina jerikanina sy tavoahangy plastika maromaro indray no saron’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisaria Tanjombato, omaly maraina teny Iavoloha. Araka ny fampitam-baovao azo dia teo am-pisavana fiara zotra rezionaly mampitohy an’Ambatofahavalo sy Ampefiloha no nahatratrarana ity trafika ity. Natao teny ambony fitoeran’entana toy ireny solika ireny ny sasany tamin’ireo toaka ary ny hafa kosa nafenina tany ambany seza. Efa mailo tanteraka anefa ireo pôlisy ka nosavaina tsirairay ny zavatra tao anatin’ireo jerikanina ireo. Olona sivy no voasambotra sy voarohirohy tamin’ity resaka fitondrana toaka gasy ity. Ny roa tamin’izany dia vehivavy, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Any amin’izany toerana antsoina hoe Beparasy izany no nangalan’izy ireo ireto toaka ireto ary saika hamidy eto an-drenivohitra amin’ny vidiny 1200 ar ny iray litatra. Efa misy mpandray azy ireo, araka ny fantatra amin’ireo toerana maro eto an-drenivohitra, toy ny eny Anosibe, Antohomadinika, Andranomanalina ary tonga hatrany Ivato. Tsy vao izao moa izy ireto olona ireto nanao ity trafikana toaka gasy ity fa efa mpanao izao. « Efa matetika izy ireo no mitondra entana miakatra aty andrenivohitra», hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany moa ny toaka ary nentina natao andry maso ho amin’ny fanadihadiana ireto olona ireto. Fito amin’ireo no tena tompon’entana fa ny roa mpamily sy mpanampin’ny mpamily amin’’ilay taxi-brousse.
m.L