- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy tsy salama saina nitsoraka tao ambany kamiao, nipotsaka atidoha

Antsirabe : Lehilahy tsy salama saina nitsoraka tao ambany kamiao, nipotsaka atidoha

Tsy nisy azo natao intsony, fa dia niandry izay nialany aina sisa ny olona nanatri-maso ny loza tao Atsinanantsena Sobotsy.  Lehilahy iray no nitsoraka tao ambany kamiao, ny lohany no nandeha mialoha ka nipotsaka hatramin’ny atidohany. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity. Raha ny nambaran’ny olona teny amin’ny manodidina,  tsy dia salama saina laotra io lehilahy io ary matetika izy no mamomamo. Tsy nisy nanam-po izay ho fihetsiny ny rehetra, satria tampoka loatra ny fisehon’ny loza. Nambaran’ny nanatri-maso hatrany fa nipetrapetraka teo amoron’ny arabe io rangahy io. Rehefa nandalo ilay kamiao, dia niditra tao ambanin’ny kodiarana izy, ny lohany no nandeha mialoha ka io potika tanteraka io. Fipoahan’ny lohany mafy no nanaitra ny rehetra ka rehefa nozahana tao ambany fiara dia ilay rangahy no tazana mitsipatsipaka, ny betrony miparitaka eran’ny làlana.

Nambaran’ny nanatri-maso hatrany, fa nitsoaka nandositra ny mpamilin’ny fiara noho ny tahotra ny olona, sao hisy hanao fitsaram-bahoaka. Mpivezivezy eo amin’io faritra io ilay   lehilahy, fa tsy misy mahalala ny tena mombamomba azy ny  manodidina. Taorian’ny fizahana nataon’ny BMH sy ny polisy, dia napetraka ao amin’ny tranom-paty CHRR ny razana, miandry izay mety ho fianakaviany haka azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici