- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tazo moka : Fizarana ny lay misy ody moka

Ady amin’ny tazo moka : Fizarana ny lay misy ody moka

Ho fiadiana amin’ny tazo moka, toy ny faritra rehetra manerana ny Nosy, dia notanterahana ny  10 septambra lasa teo,  teto amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny fizarana amin’ny fomba ofisialy  ny lay misy ody moka, izany dia mandritra ny  15 andro.

Nandritran’ireo fizarana natao amin’ireny toerana voatondro ireo, dia nisy hatrany ny torohevitra sy fanentanana nomen’ireo mpanentana ara-pahasalamana momba ny fampiasana ny lay misy ody moka. Nentanina manokana arak’izany ireo fianakaviana mba hatory hatrany ao anatin’ny lay, fa indrindra ireo  vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona. Entanina ihany koa, ny isan-tokantrano mba hitandrina ny fahadiovana manodidina ny trano fonenany amin’ny fanesorana ny lobolobo sy ny rano miangona. Toerana izay mitarika ny moka.

Anisan’ny faritra anjakan’ny tazo moka ihany koa ny eto Amoron’i Mania, ka ilaina ny fisorohana an’izany amin’ny fampiasana ny lay misy ody moka ; izay nomen’ny fanjakana maimaimpoana ho fisorohana ny fahafatesana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici