Fitsaram-bahoaka hafa koa ! Fiara mpisava lalàna ana manam-pahefana iray no may kila forehitra tanteraka nodoran’ny olona tetsy Ivandry manoloana tranombarotra lehibe iray rehefa avy nandona ankizy roa.
Nikorontana tanteraka ny tetsy Ivandry omaly hariva, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo. Raha mbola miady tanteraka amin’ny fitohanana lavareny, izay tsy afaka amin’iny lalan’Ivandry mantsy ireo mpampiasa lalàna dia fiarana manam-pahefana iray, handeha hitodi-doha ho any Analamahitsy any no nanapa-kevitra ny hizotra amin’ny lafin-dalana ilany, izay miverina mankaty Ankorondrano. Mazava ho azy, manam-pahefana no nentina ka sady nandeha mafy ireo tandahatra fiara no nampaneno anjomara nanakisaka ireo fiara nifanena taminy. Tamin’io fotoana io indrindra anefa, araka ny angom-baovao teny an-toerana no nisy ankizilahy roa : 10 taona sy 7 taona, niampita ny arabe tampoka.
Tsy tana intsony ny loza ! Voafaokan’ilay fiarakely, mpisava lalàna, nitondra mpitandro filaminana nitsoka kiririoka ireto ankizy niampita ireto. Nipitika lavitra izy ireo, avy eo nitsirara teo am-povoan’arabe. Nifamonjen’ireo nahita ny loza avy hatrany izy ireo ary nentina haingana tany amin’ny hôpitaly. Raha ny vaovao hatramin’ny omaly hariva dia efa nahazo fitsaboana sahaza azy ireto zaza ireto saingy mbola hatahorana ny ain’ilay zandriny, izay tena voa mafy.
Nihabetsaka ny olona ! Tampoka teo no nirohotra nahazo ilay fiara nahavanon-doza ny nanatri-maso romotry ny hatezerana. Nitangorona tamin’ilay fiara, nisava izany ary niafara tamin’ny fanonganana azy io. Ireo mpitandro filaminana tao anatiny kosa, tetsy an-danin’izay, nanao tari-dositra avy hatrany, tsy naharay intsony izay fitaovam-piadiany akory, raha vao nahatazana fotsiny ireto andian’olona ireto. Ilay fiaran’ilay manam-pahefana sy ny mpanaraka azy sasany ihany koa nahita hirika nialàna haingana teo an-toerana, izay vao mainka nampirehitra ny hatezeran’ny olona, izay niafara tamin’ny fandorana ilay fiarakely mihitsy.
Fotoana vitsy taorian’io no tonga teny an-toerana ny polisy niezaka nandamina ireo mponina sy niaro ny faritra. Minitra maromaro taorian’izay ihany koa no tonga ny mpamonjy voina namono ny afo, narahana andiana mpitandro filaminana hafa.
m.L / T.M