- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversManamboninahitra zandary nanolana : Dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra

Manamboninahitra zandary nanolana : Dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra

Omaly no notsaraina ilay raharaha fanolanana nitranga tao amin’ny Sekolin’ny zandamariam-pirenena tao Ambositra ny herinandro lasa teo. Mpampianatra iray mitondra ny galonana Lietnà, ao amin’io sekoly io voampanga ho nanolana mpianatra zandary vavy iray. Nilatsaka ny didy : dimy an-taona an-tranomaizina sazy mihatra no nomena ity manamboninahitra zandary ity, izay nanala baraka tanteraka ny andiany indray nihira taminy sy ny fianakaviam-ben’ny zandarimariam-pirenena iray manontolo.

Efa hentitra hatrany ny baiko nomen’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandary, ny amin’ny tsy handeferena mihitsy manoloana ireo mpihoa-pefy, tsy hisian’ny kiantranoantrano na iza io na iza. Porofo iray amin’izany ity trangana fanolanana niseho tao amin’ny EGNA ity ary nanagadràna avy hatrany ny tompon’antoka. Tranga voalohany indrindra niseho teto amintsika angamba izy io, manambonahitra miaramila nigadra noho ny resaka fanolanana ! Raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho dia vehivavy mpianatra ho zandary iray no nitory ny mpampianatra azy tamin’ny herisetra ara-nofo nianjady taminy. Marihana fa ny sabotsy lasa teo nisehoan’izay tao Ambositra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici