Taorian’ny fikaroham-baovao sy ny fiaraha-miasa matotry ny mpitandro ny filaminana sy ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany Ambalamanasy sy Andranomadio, dia misy hatrany ny vokatra azo, satria efa miara-miambina alina noho ny afitsoky ireo fikambanan-jiolahy antsoina hoe: “Bande de Onze” ny andrimasom-pokonolona. Ny alin’ny talata 11 septambra nifoha ny alarobia 12 septambra teo dia nisy tranga famakiana trano fivarotana tao Ambalamanasy, vao naharay antso mahakasika izany ireo andrimasom-pokonolona dia avy hatrany nanao ny fikarohana. Tratra ambodiomby tamin’izany tovolahy iray izay mbola niaraka tamin’ireo fitaovana famakiana trano fampiasan’izy ireo sy ny antsy be fandrahonan’izy ireo ny fianakaviana lasibatra ary ireo entana maro lafo vidy nefa tsy manana antom-pivelomana akory ity tovolahy tratra ity. Raha nitondra azy nikaroka ireo namany roa lahy naira-nanao ny vaky trano taminy tamin’izao nahatrarana azy izao ny andrimasom-pokonolona, sy teo am-piandrasana ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana; izay misahana fokontany hafa ihany koa, dia tafatsoaka ity tovolahy ity ary tsy hita hatramin’izao nefa fantatry ny mpiara-monina fa mpiray Tanàna amin’izy ireo ihany. Vokany nanokatra fikarohana manokana ity tovolahy antsoina hoe “Kevin” ity ny mpitandro ny filaminana, satria raha ny fanampim-baovao azo, dia ity Kevin ity no voalaza fa mpitarika ireo andian-jiolahy “Bande de Onze” mampaory ny vahoaka ao Ambalamanasy hatramin’izay.
Malala Didier