- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Nanjavona enina andro, hita faty tanaty lakan-drano

Anjozorobe : Nanjavona enina andro, hita faty tanaty lakan-drano

Lehilahy iray manodidina ny 52 taona no hitan’ny fokonolona faty tanaty lakan-drano iray tao Mangamila Anjozorobe ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia efa tsy hita nanomboka ny 8 septambra lasa teo ity lehilahy ity.

Hatairana tokoa ny an’ireo mponina tao Marovahoana, ilay toerana nahitàna ny vatana mangatsiaka an’ity lehilahy ity tamin’io fotoana io. Tranga tsy dia fahita firy any an-toerana mantsy ny fisiana razana milomano anaty tatatra. Nampandrenesina avokoa teo ireo tompon’andraikitry ny filaminana teo an-toerana. Tonga teny an-toerana ny mpitsabo sy ny Ben’ny tanana tao an-toerana, niaraka tamin’ireo zandary. Rehefa nampiakarina avy tao anaty tatatra ny razana dia fantatra fa lehilahy monina any amin’izany fokontany Andanina, kaominina Tsarasaotra, ao amin’ny distrika Anjozorobe izy io. Fantatra teo ihany koa fa efa tsy hita, efa ela andro maromaro ity lehilahy ity ary efa nikaroka azy ny fianakaviany. Izao izy hita izao anefa saingy efa ny vatana mangatsiakany sisa. Tamin’ny fitiliana natao azy dia nolazain’ireo mpitsabo fa vokatry ny toaka be dia be nosotroiny no nahafaty azy. Taorian’ny fizahana moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici