- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Miverina ny fitsaram-bahoaka noho ny hafitsok’ireo andian-jiolahy be loatra

Toamasina : Miverina ny fitsaram-bahoaka noho ny hafitsok’ireo andian-jiolahy be loatra

“Bande de onze”, “bande à moto”, “bande de trois”…, ireo rehetra ireo no andian-jiolahy tsy mampandry fahalemana ny fokontany ao Ambalamanasy tato ho ato izay. Saika isan’andro dia tsy maintsy ahenoana trano vaky sy fivarotana voaroba ary olona voaendaka hatrany ao amin’ity fokontany ity, olana ho an’ny mpitandro ny filaminana ny fiahiana azy noho izy midadasika sy feno elakelan-dalam-pasika ary fokontany mizara roa, ka ny ilany ao anatin’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, ny ampahany faharoa ao amin’ny kaominin’i Toamasina suburbaine. Efa nanao ezaka be ny fokonolona nanangana andrimasom-pokonolona ho fanamorana amin’ny ady atao amin’ireto andian-jiolahy ireo, efa manao ezaka miaraka amin’izany koa ny polisin’ny FIP. Toraka izany koa ny zandary manao ny “operation Mandio” ankehitriny, saingy manao fanamby amin’izy ireo hatrany ireto andian-jiolahy ireto ka manohy hatrany ny asa ratsy fanaony. Ao ny mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika, ao kosa ireo andiany mampiasa antsy lava sy sabatra, ao kosa ireo mampiasa kibay sy “barre” vy be fotsiny mandritra ireo asan-jiolahy ataony. Ireto fokonolona ireto ihany no manamarina fa olona tratran’izy ireo ambodiomby mamaky trano sy mangalatra ary manendaka izao, tsy misy iray volana aorian’ny fahatrarana azy sy fidirana am-ponja dia efa hitan’izy ireo miriorio an-tanana indray, ary vao mainka mandrahona ireto andrimasom-pokonolona amin’ny valifaty. Tao anatin’ny herinandro izao, araka ny angom-baovao natao, dia efa jiolahy telo tratran’ireto fokonolona ireto no avy hatrany dia nanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Raha izao anefa no mitohy indray dia atahorana hifamono ny samy Malagasy. Ankoatra izay dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana koa ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo tao amin’ny tanana Ambodibonara, tsy lavitra ny basin-drano, lalana mihazo an’i Vohitrambato. Mpivarotra telo no lasibatr’ireto andian-jiolahy telo nitondra moto sy nitondra basy PA. Lasan’izy ireo avokoa ny vola tahiry sy ny vola matin’ireto mpivarotra ireto nandritra izany. Araka ny angom-baovao dia nahitana balana PA mbola tsy nipoaka latsaka tao amin’iray tamin’ireto fivarotana telo voatafika ireto, izay efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana, ka mitaky ny famoahana ny marina sy ny tompon’ity bala latsaka ity ny fokonolona mijaly amin’ny tsy filaminana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici