- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zazalahy kely 7 taona voaolana

Antsirabe : Zazalahy kely 7 taona voaolana

Zava-doza indray no nafitsoky ny zazalahy kely vao 17 taona monja fa zazalahy no naolany. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao, tsy indray na indroa no nanaovany izany fa tsy latsaky ny in-dimy no efa nanaovany firaisana mamoafady tamin’io zaza io. Mpiray tanana sady efa mpinamana izy roa lahy ireo, manana ireny finday ahafahana mijery horonan-tsary ireny ilay nanolana. Ireny horonan-tsary mamoafady misy firasain’ny lahy samy lahy ireny no asehony an’ilay zaza. Notambatambazany ity farany ary nampiharany ny zavatra nojereny tao anaty finday nony avy eo. Matetika no hanaovany izany io zaza io, tsy nisy nahafantatra ny ray aman-dreniny, ilay zaza rahateo tsy sahy nitantara. Ny faran’ny herinandro lasa teo, raha sendra hamonjy toeram-pivoahana ny reniben’ilay zaza no nahatazana ny tsy nahy ilay lehilahy manao ny nataony tamin’ny zafiny. Hatairana ny an’ilay ramatoa be ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Araka ny angom-baovao dia nahiditra am-ponja vonjimaika ilay mpanolana taoarian’ny nakana am-bavany azy ny talata lasa teo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici