Nandamoka indray ny fanafihana nokasain’ireto olon-dratsy natao noho ny ezaka nataon’ny pôlisy tetsy Tsaramasay ny talata lasa teo. Andian-jiolahy nikasa ny hanao ny asa ratsiny tany amin’ny amin’iny tendrony Avaratry ny nosy iny indray mantsy no rava. Roa no maty voatifitra ary ny roa hafa azo sambo-belona.
Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nisy loharanom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisiana andian’olon-dratsy mitam-piadiana hiondrana any Antsiranana any ary mandalo eto an-drenivohitra. Avy tamin’ny tapany Atsimon’ny nosy, Toliara sy Ambovombe izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. « Nanara-dia azy ireo ny polisy ka nifampitaona tamin’ny toerana maro samihafa teto an-drenivohitra ireto jiolahy. Rehefa nanaraka hatrany ireto olon-dratsy ny polisy dia niroso tamin’ny fisamborana azy ireo teny Tsaramasay » hoy ny vaovao. Miisa efatra izy ireo no teny an-toerana, saingy tsy araka ny novinavinaina anefa ny fisamborana fa nisy avy hatrany ny fifandonana ary efa nivonona tamin’izany ireo vondrona manokana avy eo anivon’ny pôlisy. « Tao anatin’izany fisamborana izany no nisy ny fifandomana mahery vaika satri nitifitra ny Polisy ireto jiolahy ka voatery niaro-tena ihany koa ny mpitandro filaminana ». Nanakoako teny an-toerana ny feom-basy, ary roa tamin’ireo nifanenjehana no nianjera. Nilavo lefona kosa ireo namany roa hafa ary nanaiky ny ho samborin’ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany ihany koa, hoy hatrany ny vaovao no nahasarona ny fitaovam-piadiana nentin’izy ireo : basy sy antsy lava. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy moa ireo roalahy voasambotra. Iretsy maty kosa dia navantana avy hatrany teny amin’ny tranom-paty tetsy Ampefiloha. Tazana teny an-toerana omaly ny fianakavian’ireto olona namoy ny ainy ireto. Izay nilaza ny alahelony manoloana izao tranga izao. Araka ny filazan’izy ireo mantsy, hatramin’ny omaly, dia tsy nahafantatra velively ny anton’izao fitifirana nahafaty ny havany izao izy ireo, eny fa na ny fisamborana ihany koa aza.
m.L