- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalaiva : Olona telo maty voatifitry ny dahalo

Analaiva : Olona telo maty voatifitry ny dahalo

Tsy lasa lavitra ireo mpanafika dia voasambotra noho ny fisian’ilay hetsika manokana ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao. Nisy fanafihan-dahalo narahana vono olona tokoa mantsy tao Ankiofio, ao amin’ny fokontany Andranovolotarehitra, kaominina Analaiva, distrika Morondava. Olona telo no maty voatifitr’ireo olon-dratsy, izay miisa dimy tamin’io fotoana io, nitondra basim-borona roa sy zava-maranitra. Nitsoaka avy hatrany ireto mpanafika raha vao vantany vao nahazo ny zavatra nilainy. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ireo voatafika ary tonga haingana teny an-toerana ireo zandary ao anatin’ny hetsika « Mandio » izay avy hatrany dia nanenjika ireto olon-dratsy. Vokany, telo tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra. Azo teny an-tanan’izy ireo kosa ny basy nentin’izy ireo nanafika tamin’io fotoana io. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’izy ireo hafa tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici