Tokony ho tamin’ny 01ora sy 50min ny alakamisy tolakandro, dia nitrangana fahamaizan-trano goavana tao Tanambao V P/elle 13/81 ; izay saika ny “Carreau” rehetra tao amin’ity fokontany ity may kila avokoa ny trano sy ny fananana tao anatiny. Raha ny fanazavan’ny mponina, trano iray izay tsy eto Toamasina ny tompony no voalazan’izy ireo fa niandohan’ny afo, izay tsy mazava ny antony. Trano vita amin’ny fitaovana mora mirehitra ilay niandohany ka avy hatrany dia nijoalajoala ny afo ka niitatra tamin’ny trano nifanila taminy, mbola trano vita amin’ny fitaovana mora mirehitra ihany koa. Somary nisy rivotra ihany moa nandritra ny fitrangan’ny hain-trano ity ka niitatra tamin’ireo trano nifanila taminy ilay afo be ka izao niteraka fahamaizana trano an-jatony sy nahatra-boina olona olona an’arivony izao ary naharatra olona telo niezaka nanavotra ny tranony sy ny fananany. Niezaka ny nanavotra ny fananany hany mba azo navotana ihany ireo fokonolona, saingy ireo entana mba tafavoaka indray dia misy ireo mpangalatra nanararaotra izany. Nanao ny ezaka nanara-maso izany ihany ireo mpitandro ny filaminana, saingy noho ny fahamaroan’ireo olona samy mibata ny entany, dia tsy hay intsony izay tena tompony sy ireto mpangalatra mpanararaotra ny fahorian’ny hafa ireto. Nahitana fahatarana 30mn ihany koa ny fahatongavan’ny fiara mpamonjy voinan’ny kaominina, izay mbola niandry fotoana maro ihany koa vao afaka niditra ireo lalam-pasika tery vao afaka namono ny afo. Naharitra adiny telo ny afo vao voafehy raha nisy ny fifanampiana teo amin’ny fiara mpamonjy voina sy hain-tranon’ny : kaominina, seranan-tsambon’i Toamasina, orinasa Ambatovy, ary ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy. An-kilan’izay na teo aza ny tomban’ny tra-boina fa tokantrano iray ity no niatombohan’ny afo. Mbola samy manontany tena ihany ny rehetra, satria manana fanazavana hafa ihany koa ireo olona sasany manana ny may tamin’izao hain-trano izao. Ao ny milaza fa toa misy manao sangy ratsy nandoro ity fokontany nisy hain-trano ity, ao koa ireo milaza fa herinaratra no niteraka izao fahamaizana izao. Ny fanadihadiana ihany anefa no afaka hamaritra izany, fa amin’izao fotoana naha-voafehy izao vao samy manao ny tombam-pananany may sy very nisy nangalatra avokoa ireo fianakaviana tra-boina, koa ho hita eo ny ho tohiny. Ankoatra izay anefa, dia manao antso avo ny sampana mpamonjy voina sy hain-tranon’ ny kaominina amin’ny fanalalahana ny lalam-pasika miha-tery rehetra eto Toamasina, mba hisorohana amin’ny manaraka ny tranga toy izao ka mahatonga ny fahataran’ny asam-pamonjena tokony hataon’izy ireo, mba hanavotana ireo trano sy fananana mbola azo avotana mandritra ny hain-trano.
Malala Didier