- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna-Betsiboka : Dahalo telo maty voatifitra, roa nodoran’ny fokonolona tamin’ny lasantsy

Tsaratanàna-Betsiboka : Dahalo telo maty voatifitra, roa nodoran’ny fokonolona tamin’ny lasantsy

Saika efa isanandro, dia andrenesana sy ahazoam-baovao hatrany ny fanafihan-dahalo any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny. Ny Atalata heriny lasa teo iny, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina, tao amin’ny fokontany Manakana Bepilopilo, kaominina ambanivohitra Betrandraka disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, no lasibatry ny dahalo  35 lahy nitam-piadiana. Nandritra ny fanafihana, olon-tsotra iray teo ampita antsinanan’i Manakana no lavon’ny balan’ireo malaso. Ary nandritra ny fifandonana, dia dahalo  telo no maty voatifitry ny lehiben’ny dinam-pokonolona any an-toerana. Araka ny tati-baovao voarainay hatrany, dia nentin’ireo dahalo nandositra ny fatin’ny namany iray sy ireo malaso naratra. Ny razana roa tavela kosa nalain’ Atoa Rija lehiben’ny dina naseho vahoaka, ary nodoran’ny fokonolona tamin’ny lasantsy avy teo. Marihina, fa tsy nahazo na inona ireo malaso nandritra ny fanafihana nataony teo an-tanàna. Araka ny vaovao farany voaray omaly, tamin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, dia nanafatra tamin’ny antso an-telefaonina tamin’Atoa Rija izay dahalo niova fo ireo dahalo, fa ho avy hanafika indray an’Atoa Rija sy ny mponina ao Manakana Bepilopilo, ary hamalifaty ireo naman’izy ireo maty voatifitra, ka mihorohoro fatratra ny mponina no mandry an-driram-basy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici