Raha ny fampihorohoroan’ny dahalo sy ireo zandary mpiray tendro amin’izy ireo no mampitsoaka ireo mpiompy sy ireo filoham-pokontany ao amin’ny kaominina Tsinjorano ao amin’ny kaominina Sakoamadinika, kaominina mampizara ny faritra Alaotra sy Betsiboka, dia nivadika indray ny rasa ankehitriny araka ny fitarainan’ireo fokonolona nitsoaka eto Toamasina mihitsy noho ireo antsojay sy fandrahonana azon’izy ireo. Ireo andiana miaramila natao hampandry tany any an-toerana indray izao no mampihorohoro ny fokonolona sy ireo filoham-pokontany . Isany tratran’izany Atoa Randriamiraza Dorand ny 9 septambra teo, satria izy efa very omby 14 indray no norahonana ho faty nataon’ireto andiana miaramila nalefa hoe “hampandry tany”. Ho fiarovana ireo mpiompy sy fananany anefa dia betsaka amin’ireo mpiompy no manao ireny karazana ody gasy ho fiarovan-tena sy ny fananana ireny izay fomba amam-panao any amin’ity toerana Tsinjorano Sakoamadinika ity. Noho ny fahenoan’ireo miaramila ireo izany anefa no nisamborana azy tao an-tranony tany an-toerana ka nentina tao amina sekoly iray, dia nampijaliana sy nampihorohoroina mafy tokoa. Talohan’izao tranga izao anefa, dia dahalo no nandrahona ho faty azy raha nalain’izy ireo ny ombin’ity rangahy ity 14 tamin’izay fotoana izay. Raha ny fanazavana avy tamin’ireo fokonolona avy amin’ity kaominina sy fokontany ity ; izay lasa mamonjy ny fianakaviany eto Toamasina mihitsy ankehitriny noho ny zava-misy, dia ireo dahalo indray izao no manao be filaza any amin’ireo mpitandro ny filaminana, ka ireo vahoaka sy ny fokonolona manana ny marina sy miaro ny fananany indray no lasibatra mafy izao. Efa samy mampiasa ny ody gasiny mantsy ny dahalo sy ny mpiompy izao ka mahatsiaro resy tosika amin’ny zava-misy ireto dahalo, ka izao mampiasa vola manaramana miaramila mampihorohoro vahoaka sy ny mpiompy izao indray. Raha ny zava-misy satria ireo andian-tafika ao Andilamena no akaiky indrindra raha miala ao Sakoamadinika, dia ireto andian-tafika ireto no ampiasain’ny dahalo indray izao, satria lavitra loatra ireo zandary miasa ao Tsaratanana. Milaza ny hamoaka ny zava-misy ny marina iainan’ny vahoaka ao Tsinjorano Sakoamadinika ireto olona nitsoaka ny tany fivelomany ireto, satria izy ireo efa very fananana sy ataon’ny dahalo tsy mandry andro tsy mandry alina indray no anaovan’ny Tafika milaza fa tandroka aron’ny vozona, hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no lasa mpampihorohoro sy mampijaly vahoaka tahaka izao misy any an-toerana izao.
Malala Didier