- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Vehivavy maty voatsindrona antsy

Ambohimahitsy : Vehivavy maty voatsindrona antsy

Ny harivan’ny alakamisy tany amin’ny 6 ora tany ho any, vehivavy iray no fantatra fa maty nisy nanindrona antsy ary avy eo voaendaka, teny amin’ny faritra Ambohimahitsy. Ny loharanom-baovao fantatra no ilazana fa handeha hody ity olona ity izao nisy namono izao. Nandeha taxi-be izy ary rehefa akaiky ho tonga teny an-toerana dia niantso tamin’ny telefonina ny olona tao an-tranony hitsena azy. Sahala amin’izany hatrany ny zavatra fanaony rehefa mody avy mivarotra izy isaky ny hariva. Tamin’io hariva io, tsy fantatra na efa nisy nanaraka izy na ahoana. Vokany, izy voatsindrona atsy nanandrify ny fony. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny zavatra teny aminy. Tsy nahita azy ireo saika hitsena. Rehefa tsy tonga elaela ilay vehivavy, dia mahina ny fianakaviany ary nandeha nitady azy. Vatana efa mihosin-drà no hita. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly. Tsy tana intsony anefa ny ainy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser