- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Fibodoana sy famarotana tany amin’ny taratasy hosoka

Alasora : Fibodoana sy famarotana tany amin’ny taratasy hosoka

Tany miisa 80 amin’ny titra samihafa mirefy eo amin’ny 16ha eo, tamin’ny anaran-dRainibary sy Razafindravala, manakaiky an’Alasora sy aty amin’ny faritry ny By-Pass manamorona ny arabe, ary tanimboly sy tanimbary aty Ambohijanaka, no misy mivarotra, ary manana taratasy hafa sy manao taratasim-pivarotana amin’ireo olona tonga mividy izany.

Nanamarika moa ireo mpandova amin’ny anaran’ireo olona ireo fa manana taratasy mazava momba ireo tany lovan-dry zareo ireo . Efa nanao hetsika fitarainana tany amin’ny polisy ekonomika izy ireo tamin’izany ka dia voamarina tokoa ny maha azy ireo ny tany, ary efa nametraka fitoriana ihany koa tany amin’ny polisin’ny faritany. Ny tena mahagaga ny tompon’ny tany dia ny nahazoan’ireto olona mivarotra sy misandoka ny tanin’izy ireo « acte de notoreté » telo samihafa. Efa am-polo taona moa ity raharaha ity no niaka-nidina teny amin’ny fitsarana.

Ny tany manamorona ny arabe moa no tena lasibatra amin’izany fa ireo tanimboly sy tanimbary kosa tsy dia misarika ireto mpivarotra misoloky ny tany ireto. Nilaza moa ireto tompon’ny tany ireto mba hijeren’ny fanjakana akaiky ity raharaha ity, nilaza izy ireto tamin’izany fa misy mpanambola iray ao ambadik’ireto olona misoloky ny tanin’izy ireo.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser