Mandeha tsy ankijanona ny fanadihadiana izay iarahan’ny vondron’ny zandarimaria sy polisy. Raha ny marina aza dia ilay vondrona manokana izay natokana hisahana ny fanadihadiana momba ny fakàna an-keriny (cellule mixte d’enquête) no nasaina manatontosa an’izany. Satria amerikana moa no maty ary diplaomaty dia avy hatrany dia io vondrona izay isan’ny manan-danja io amin’ny fikirakirana dosie mafana eto amin’ny firenena no nasaina niandraikitra ny fanadihadiana. Inona ary no tena zava-nitranga io alin’ny asabotsy io ? Nivoaka niala voly tao amin’ny « karaoké » iray, eny Ambohibao ihany, toerana izay efa fandehanan’ilay amerikana, ny tenany. Efa fantatry ny tompon’ny toerana izy ary efa mifankahazatra amin’ny olona mpamonjy ao koa. Nisy tovolahy iray izay nanintona azy tao ary dia nandeha ny fampiresahana isan-karazany. Manodidina ny tamin’ny 11h55 minitra alina dia resiny lahatra ny lehilahy iray ny hiara-hody taminy. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina latsaka dia efa tonga tao an-tranony, etsy Ambohibao ihany, ilay lehilahy. Teo no heverina fa tsy nitovy ny resaka. Ny iray nieritreritra fa hijery ny trano fotsiny no antony nitondràna azy teny. Ny faharoa kosa nieritreritra fa efa « zakany » ilay lehilahy ary mandeha hoazy ny fiarahan’izy roa ara-nofo manomboka eo. Tsy izay anefa no nitranga noho ny antony izay mbola hovalian’ny fanadihadiana tsy ho ela. Nisy ny ady teo amin’ny roa tonta ary izany dia niafara tamin’ny fahafatesan’ilay vahiny diplaomaty. Nitsoaka avy hatrany tao an-trano ilay lehilahy. Koa satria nihidy ny varavarana ary tsy voavohany, dia voatery teny amin’ny varavarankely izy no nitsambikina. Teo dia nifanena tamin’ny zandary izay manana birao tokony ho 50 metatra ilay trano. Mbola feno rà ny akanjony sy ny kirarony ary ny findainy. Rehefa nentina tao amin’ny birao izy dia tsy nisalasala ny nitantara izay nanjo azy ary koa ny nataony. Nikoropaka teo ny namonjy ilay vahiny ary nantsoina haingana ny « ambulance ». Vatana efa mangatsiaka no novantanin’ireo tao. Notazomina nanomboka teo ilay lehilahy ary tao anatin’izay dia niantso ny mpampiasa azy. Izay koa no nahafantaran’ny mpitandro ny filaminana fa miasa amin’ny orinasa iray izay miandraikitra fanamboarana trano izy ary manana dosie maloto tao. Nisy vola nahodiny tao ary nitsoaka izy ka nokarohina nanomboka teo. Na izany aza, tsy misy nifandraisany tamin’ity vonoan’olona ity izay raharaha hafa izay. Tamin’ny fotoana nisamborana azy dia mbola nahitàna vola mitentina 1,5 tapitrisa ariary tao aminy. Nohazavainy fa tsy volan’ilay vahiny velively io fa azy manokana, raha araka ny fanamarinam-baovao izay natao. Amin’ity raharaha ity dia noraisin’ny masoivoho amerikana avokoa ny fandaniana rehetra momba ny fitiliana ny razana sy ny fikarakarana izany. Avy hatrany dia nalefa tany Washington ny tatitra ary miandry ny valin’izay mety ho fanadihadiana avy amin’io firenena io ny mpanao fanadihadiana malagasy mba hahafahany mandray fanapahan-kevitra. Fantatra ny fisian’ny diplaomaty izay mandala ny fifankatiavan’ny olona mitovy fananahana ary izy misy amin’izy ireo mihitsy aza ny tena ao anatiny. Ireo mpivoaka alina dia efa mahatsikaritra izany matetika saingy samy manaja ny firehany satria izay ankehitriny no isan’ny fanajàna ny zon’olombelona.
D.R