Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-dohasa, ambany atsinanan’ny banky “BOA”, ny alatsinainy faha-24 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina.
Tonga dia nandray ny andraikitra avy hatrany ireo manampahefana mahefa, nijery ny zava-misy tany an-toerana, ka fantatra tamin’ny fijerena ny razana, fa lehilahy iray fotsy fihodirana, sahabo ho 50 taona eo ho eo ilay olona ary raparapa ny tenany. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany aminy ary ireo olona tonga nijery azy ihany koa, tsy nisy ‘nahafantatra azy. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly be ny razana.Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Herinandro vitsy lasa izay, dia nahitana fatin-jazakely ihany koa teny an-dohasa akaikin’ny “stationnement” avaratra.
Anastase