- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRN2-Tanandava : Notifirina ny rainy, naolana ny zanany

RN2-Tanandava : Notifirina ny rainy, naolana ny zanany

Ny eo tsy mbola hita ny marina, ny manaraka misosoka ihany, toy izany ny fisehon’ny tranga na asan-jiolahy eto Toamasina . Ao ireo mpitondra fitaovam-piadiana, ao kosa ireo mpanao andiany tsotra ka manao tamba-be mandritra ny asa ratsy fanaon’izy ireo. Raha eo am-pahasitranany ilay mpivarotra tao Valpinson voatifitra teo amin’ny tendany, eo am-pandevenana ilay raim-pianakaviana maty voatifitra tao Tanambao V ny fianakaviany, dia tranga iray hafa koa ny tao amin’ny lalam-pirenena faha-02 – Bis misy ny fandanjana fiara vaventy ao Tanandava, ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy teo. Mpivarotra entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy zava-pisotro ity notafihan’ny jiolahy 12 be izao ity. Raha ny fanazavana azo, dia niezaka nanohitra ireto jiolahy ireto ihany noho ny fiarovany ny fananany sy ny fianakaviany ilay raim-pianakaviana, saingy tao anatin’izay dia notifirin’ireo jiolahy ity raim-pianakaviana ity izay bala telo teo amin’ny kibony sy ny tratrany no nahafaty azy. Nihosin-drà tanteraka ny tranon’izy ireo. Naolan’ireto jiolahy ireto nitamba-be kosa ny zanany vavy tsy mbola ampy taona taorian’izay, ary nalain’izy ireo avokoa ny vola sy ny entana tian’ireto jiolahy ireto tao an-trano vao nandeha izy ireo. An-kilan’izay dia mpiasa maraina nisotro kafe tamin’ity mpivarotra iray tao Tanambao V tokony, tamin’ny 6ora maraina koa no nisy nangalatra ny môtôny. Nisy nahita ireo olona naka izany, saingy tsy afa-nihetsika izy ireo noho ireto mpangalatra nanao andiany sy nitondra zava-maranitra. Ankoatra izay dia mampitaraina ireo mpitandro ny filaminana ny baiko midin’ny talen’ny polisy eto Toamasina ; izay mitaky fisamborana velona ireo andian-jiolahy fa tsy mahazo mitifitra intsony ny polisy na mihatra aman’ain’izy ireo aza ny fitaovam-piadiana amin’ireto andian-jiolahy. Ny zava-misy koa dia hatramin’ny nandraisan’ity tale ity ny asany, dia mirongatra ny asan-jiolahy teto Toamasina, ny fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana ary hatramin’ny asan-dahalo amin’ny  halatr’ omby mihitsy ihany koa aza izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici