Iray volana katroka no nanatanterahan’ny zandary ilay hetsika manokana nomena ny anarana hoe « mandio ». Hetsika izay nentina niadiana tamin’ireo trangana tsy fandriampahelamana izay hita fa mihamahazo vahana tato ho ato. Araka izay anarana hoe « mandio » nisaloran’ity hetsika ity dia tsy vitan’ireo olon-dratsy ihany no nosamborina fa nisy ihany koa ny fanadiovana anatiny natao teo anivon’ny zandary. Ny tanjona dia ny hamerina tanteraka ny fahatokisan’ny vahoaka ireo mpitandro filaminana ka tsy hisy fitsitsiana mihitsy ho an’ireo zandary mihoatra ny fefy. Tao anatin’ity hetsika ity araka izany dia fantatra fa nahatratra 202 ireo fitairanana azo teo anivon’ny zandary mahakasika ireto mpihoatra vala ireo. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina nifanaraka tamin’izany, ka fantatra fa nahatratra 153 ireo zandary voasazy taorian’ny fanadihadiana natao, 24 ireo voatery nafindra toerana. Fa tamin’izany fitarainana izany ihany koa dia zandary sasany no voatery natolotra teo anivon’ny fitsaràna noho ny asa ratsy na ny firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy nataon’izy ireo. 15 no fahazoan-dalana manenjika navoaka ho an’ireto mpihoatra vala ireo. Araka izany, nisy zandary 17 natolotra teo anivon’ny Fampanoavana ka ny folo tamin’izany no voatery nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo, fito kosa ireo nomena fahafahana vonjimaika tamin’izany.
Fa isan’ny imasoan’ny eo anivon’ny zandarimarim-pirenena ihany koa tamin’ity hetsika manokana ity ny nanenjika ireo dahalo ambony latabatra izay heverina fa isan’ny mampirongatra tanteraka ny resaka asan-dahalo. Fantatra araka ny tatitra nataon’ireto mpitandro filaminana ireto fa delegen’ny boriborintany sivy no nosamborina, telo tamin’ireo no « MD ». Fa nisy ihany koa ben’ny tanana lefitra, sekretera eo anivon’ny kaomina, pôlisy kaominaly iray, mpandraharaha ara-toekarena, sefo fokontany, veterinera, mpiandraikitra toerana famonoana omby ary tale mikasika ny fiompiana voasambotra noho ity resaka famotsiana taratasin’omby halatra ity. Nambara moa fa mbola mitohy ihany hatreto ny ezaka efa natomboka ao anatin’ity hetsika manokana ity.
m.L