Nanaitra ny mponina tao Ambalavato sy ny manodidina ny fipoahan’ny toby fitehirizana menaka mavesatra, na “fuel”, fampiasa amina milina manodina herinaratra. Ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’ny loza. Nipoaka mafy dia mafy ilay toby fitehirizana menaka io, voalaza fa nisy tamin’ireo fiara teo amin’ny manodidina no vaky fitaratra mihitsy. Tsy fantatra mazava hatreo ny anton’ny niavian’ny loza. Ny hany fantatra aloha dia akora tsy tian’ny afo ity menaka mavesatra ity. Taoaria’ny fipoahana dia nanomboka niredareda ny afo, tsy nisy azo natao afa-tsy niandry izay nahalevona ny afo, satria tsy azo tondrahana rano io menaka mavesatra io. Ora maro vao nitsahatra ny firehetan’ny afo, tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Nambaran’ny teo anivon’ny JIRAMA fa tsy tokony hisy aloha ny fahatapahan’ny herinaratra eto Antsirabe, noho io toby nirehitra io. Na izany aza, azo heverina ihany ny fahatapahana mandritra ny fanamboarana hatao. Nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany fa tsy ny Jirama intsony no mitantana io toby fitehirizana menaka io fa efa noraisin’ny orinasa tsy miankina iray.
Andry N.