- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFaha-100 taonan’ny “Caisse d’Epargne de Madagascar” : Mpiasa miisa 23 eto Toamasina notolorana...

Faha-100 taonan’ny “Caisse d’Epargne de Madagascar” : Mpiasa miisa 23 eto Toamasina notolorana medalin’ny asa

Taona 1918 – taona 2018, feno 100 taona amin’ity taona ity ny orinasa “Caisse d’Epargne de Madagascar” (CEM). Misy vokatra izany ny hetsika ataon’izy ireo manerana ny nosy, ka isan’ny nanaovana ny hetsika manokana faha-100 taona ity ny teto Toamasina ny faran’ny herinandro teo, saingy hitohy hatramin’ny faran’ny volana oktobra izany noho io andro io natokan’ny firenena mikambana hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tahiry. “Tsy midika fahanterana izao faha-100 taonan’ny ‘Caisse d’Epargne de Madagascar’ izao, fa midika kosa fahamatorana tamin’ny asa nomenay ny mpanjifanay sy ny vahoaka malagasy”, hoy Atoa Andriamorazaka Niaina Lalaina lehiben’ny servisin’ny tahiry. Maro ny hetsika nomanin’ny orinasa CEM ao anatin’ny faha-100 taonany ity teto Toamasina. Teo ny fanolorana medalin’ny asa ho an’ireo mpiasa, ka ny minisitry ny asa Atoa Ramaholimasy Holder, sy ny prefen’i Toamasina Atoa Benandrasana Cyrille, no nametraka izany tamin’ireo mpiasa miisa 23. Ny 21 nahazo ny medaly volafotsy, ny roa kosa nahazo ny medaly alimo. Raha ny fanazavana dia miisa 500 ny mpiasa eo anivon’ny CEM manerana ny nosy, izay misahana ireo mpanjifany miisa 1 500 000, amin’ireo masohivohiny miisa 30 manerana ny nosy, ka ny roa amin’izany eto Toamasina ao Tanambao II sy ao Ampasimazava. Isan’ny hetsika nataon’ireo mpiasan’ny CEM teto Toamasina ihany koa ny nanome tolotra manokana ho an’ireo mpanjifany, ka misy ny “tombola” manokana ho an’ireo zaza teraka tamin’ity taona 2018 ity hanokafan’ny ray aman-dreniny kaonty, sy ireo olon-tsotra vaovao manokatra kaonty eo anivon’ny CEM Toamasina. Mandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny tahiry ny 31 oktobra ho avy izao no hisarihana izany ka loka goavana no ho azon’ireo tsara vintana mandritra izany. Teo koa ny lalao baolina kitra izay nandraisan’ireo kilonga U13 sy U17 ary ny Club-M zokiolona sy ny mpiasan’ny CEM, izay natao tao amin’ny kianjan’ny SOS Village d’Enfant Mangarano; sy ny lalao Tennis natao tao amin’ny kianja ny CRJS. Ankoatra izay dia nomarihan’ny CEM teto Toamasina fa raha mbola latsaky ny 30 taona ny kaontin’ny mpanjifa iray tsy nihetsika mihitsy dia mbola azo ampiasaina izany ary mbola mahazo ny zana-bola tokony ho azony koa ny tompony.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici