- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndro eran-tanin’ny zokiolona : Nanome tànana azy ireo ny « AMADIA » Toamasina

Andro eran-tanin’ny zokiolona : Nanome tànana azy ireo ny « AMADIA » Toamasina

Isan’ny nankalaza ny andro eran-tanin’ny zokiolona, ny talem-paritry ny mponina sy ny depiote Ndahimananjara Johannita ; izay efa minisitry ny mponina teo aloha, ary ny Amadia na “Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta” miara-miasa amin’ny Lions Club,  ankalazaina isaky voalohan’ny volana oktobra ary lanonana natao tao amin’ny biraon’ny talem-paritra Atsinanan’ny mponina eto Toamasina. Tamin’izao lanonana izao ankoatra ireo kabary efa mahazatra amin’ny andro eran-tany tahaka izao, dia ny fizaham-pahasalamana ireo zokiolona, amin’ny aretina mitaiza azy ireo no tena nibahana, ka isan’izany ny fizahana ny toe-tena tosi-drà sy ny Diabeta ary ny fizahana maso ho azy ireo. Ireo toe-tena sy ny olan’ny maso ireo anefa dia azo sorohina sy atrehina ara-dalana ka nisy ny fanazavana nataon’ny Dr Andriamanonga Jean Marie, filohan’ny Amadia Toamasina ho an’ireto zokiolona ireto, mba tsy ho vesatry ny tontolo misy azy izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici