- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntanambao Manampotsy : Zazavavy 3 taona maty naolan’ny roa lahy

Antanambao Manampotsy : Zazavavy 3 taona maty naolan’ny roa lahy

Andro vitsivitsy lasa, dia nitrangan-javatra mampalahelo ny tao Antanambao-Manampotsy. Trangan-javatra, tsy dia fahita tamin’ny tanàna kely iray ary tsy azo eritreretina mihitsy nataon’ireo lehilahy ankiroa, sivy taona sy dimy ambin’ny folo taona, zaza tsy ampy taona, tamin’ny zazavavy kely, vao telo taona monja.

Na dia nanao ny fiala-nenina aza ireo ray aman-dreny nitondra an’ilay zazavavy kely telo taona tamin’ny toeram-pitsaboana, dia tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fanolanana feno herisetra nataon’ireo zazalahy kely roa ireto.

Manoloana izao toe-javatra izao, dia sahiran-tsaina ireo manampahefana, fa indrindra ny eo anivon’ny fitsarana noho ny tsy fisiana rafitra iray mikarakara an’ireo zaza maditra tsy ampy taona,nefa nahavita heloka bevava eo anivon’ny fonja misy any an-toerana, ka voatery indraindray  mampitambatra ireo voanfonja rehetra na lehibe na kely amin’ny toerana iray, izay manano sarotra ny fitaizana azy ireo any aoriana any ,eo anivon’ny fiarahamonina.

Sehatrasa iray tsy dia ahitana resaka loatra avy amin’ireo  kandidà ho filoham-pirenena, nefa mahakasika ny fiarahamonina no tafiditra ihany koa anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici