Dahalo roa hafa indray no saron’ny zandary, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola distrikan’i Betafo, mbola anatin’ny “Opération Mandio” hatrany. Fantatra, fa efa rain-dahiny amin’ny asan-dahalo izy roa lahy voalaza ireo. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy, araky ny fanazavan’ny zandary. Nahatrarana basy rahateo tao an-trano fonenany nandritra ny fisavana ka basim-borona iray tsy misy taratasy no hita tamin’izany. Tao amin’ny fokontany Ambalamasina no nahatrarana azy roa lahy ireto ary hatolotra ny fampanoavana eto Antsirabe. Isan’ny faritra midadasika ny distrikan’i Mandoto, paikady nentin’ny zandarimaria ny nanaovana “Opération Mandio” nandritra ny 10 andro, niarahana tamin’ny faritra Menabe ka isan’izany ny vokatra toy izao. Hatreto aloha izany, 4 ny basy saron’ny zandary ka ny iray tamin’izy ireo no nisy taratasy ara-dalàna ka naverina tamin’ny tompony. Isan’ny sakana amin’ny fanadiovana ataon’ny zandary ihany koa ny fisian’ireo fikambanana zazamena sy zazamainty amin’ny ilany andrefan’Antsirabe iny, satria raha ny fanazavana, dia idiran’ny mpanao politika io fikambanana io ka lasa sarotra ny famehezana azy.
Andry N.