Isan’ny aretina tsy azo tsaboana amin’ny fotoana isehoany amin’ny olona sy ny alika voany ny aretina haromotana. Na izany aza anefa dia misy ny vakisiny azo isorohana azy ho an’ny olona voakaikitry ny alika, sy ny alika, mba tsy hamindra haromotana amin’ny olona. Iray volana lasa izay dia nahitana olona matin’ny haromotana tao Mananara avaratra, izay mponina ao Imbitsika any an-toerana. Raha nataon’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ny olom-panjakana tany an-toerana ny fanadihadiana dia mahita izy ireo fa mirongatra ny haromotana amin’ny alika ao Mananara avaratra ankehitriny. Tamin’ity herinandro ity koa dia olona iray hafa avy ao Angniribe no voakaikitry ny alika. Sendra nandalo fotsiny izy tamin’izany no avy hatrany dia nokaikerin’ity alika mpirenireny an-dalam-be. Avy hatrany dia namonjy hopitaly ity olona ity ary nahazo ny fitsaboana mifanaraka amin’ny kaikitry ny alika nahazo azy tamin’ny alalan’ny seroma miaro amin’ny haromotana. Vokatr’izay rehetra izay dia manao hetsika famonoana alika faobe, “operation kiva”, ny ao Mananara avaratra. Raha ny fanazavana azo dia tia miompy alika ny fianakaviana sy ny olona ao Mananara avaratra saingy vitsy ireo fianakaviana na ireo olona ireo no mikarakara ara-pahasalamana ny alika ompiany, hany ka maro ny alika mirenireny an-dalam-be sy mihinan-kanina etsy sy eroa, izay manamora ny fahazoan’ireo alika ireo ny aretina haromotana. Misy ihany koa ny fanaovam-bakisiny ireo alika any an-toerana ho an’ireo tompony te-hanao izany.
Malala Didier