- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversManarintsoa : Fololahy nanafika mpivarotra

Manarintsoa : Fololahy nanafika mpivarotra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Manarintsoa Atsinana, ny alakamisy tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo. Toeram-pivarotana enta-madinika iray, izay vao nisokatra vao haingana teny an-toerana no lasibatry ny jiolahy. Lasa tamin’izany ny vola matin’izy ireo nandritra ny andro, izay mitentina eo amin’ny enina hetsy ariary teo ho eo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, izay nandray an-tanana ny raharaha, dia teo amin’ny fololahy teo ireo mpanafika, izay nitondra basy poleta vita gasy iray, niaraka tamin’ny sabatra. Tsy afa-nanohitra akory teo anatrehan’izany ireo tompon-trano, noho ny tahotra ka afaka nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy nibata izay zakany ary lasa nitsoaka nony avy eo. Taorian’io vao niantso ny zandary avy ao amin’ny borigady Tana Ville ireo voatafika. Ireto farany izay tonga haingana teny an-toerana, nanao savahao ny manodidina. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana sy ny fikarohan’ireto olon-dratsy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici