- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Mpivady nividy safira hosoka, very 30 tapitrisa Ar

Ihosy : Mpivady nividy safira hosoka, very 30 tapitrisa Ar

Fahavoazana iray lavaka no nahazo an’ireto mpivady mpibizina volamena monina ao Ihosy ireto. Nisy olona telo mianaka malotoloto fitafy nilaza ho mpitrandraka vato any Ilakaka. Nahavaky safira izy ireo ka nivarotra vato hosoka tamin’izy mivady, ny zoma teo. Nanafatra mihitsy ireo olona fa aoka mba tsy hisy hahalala izao aferantsika izao, sao tafihan’olona izahay. Dia roboka sy natoky tena izy mivady. Raikitra ny ady varotra avy eo, ka 30 tapitrisa ariary ny vidim-bato nifanarahan’ny roa tonta.

Vola saika hividianana kamiao. Ny vola rehetra saika hividianana fiara kamiao tany amin’ny banky nomena an’izy telo mianaka. Azo ny safira, nikaroka mpividy avy eo. Teratany thailandey no hividy ilay vato. Rehefa nojeren’ity farany tamin’ny fitaovana raitra nentiny nandritra ny fotoana naharitra ireo vato dia hita fa safira hosoka. Saika voafitaka hatramin’ilay kelimaso nikasa hividy ilay vato, hoy ny fanazavana. Teo vao kepoka izy mivady. Safotra avy hatrany ramatoa raha vao nandre ny vaovao. Rangahy kosa nigogogogo nitomany very fanahy mbola velona. Notadiavina ireo mpisoloky fa tsy hita intsony ary nadio ny rano nitana.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser