Ny alin’ny asabotsy, lehilahy iray no fantatra fa nisy nanindrona tamina vakin-tavoahangy tao anaty karaoke. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa teo am-pihirana iny indrindra izy no nisy namely. Izay tena antony marina aloha tsy mbola fantatra. Ny resaka re no hilazana fa toa hoe efa nisy lonilony tany ivelany tany ka izay no namelezana azy. Nikoropaka ny rehetra, ka mba hisoroana izay mety ho sakoroka dia navoaka ary nentina haingana namonjy hopitaly ilay naratra. Teo amin’ny tendany sy ny sandriny no voa. Feno rà ny pataloa nanaovany.
r.s.