- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Trano 11 notetezin’ny jiolahy, olona iray voatifitra

Antanifotsy : Trano 11 notetezin’ny jiolahy, olona iray voatifitra

Tsy misalasala ireo mpandroba mampiasa ny basy teny aminy

Manjaka ny asan-jiolahy any amin’ny disitirik’Antanifotsy. Ny alin’ny asabotsy lasa teo, trano miisa hatrany amin’ny 11 no norobain’ny mpangalatra. Mitentina hatrany amin’ny 13 tapirisa ariary mahery tany ny vola lasan’ireo mpandroba. Ankoatra izany, tovolahy iray no notifirin’ny jiolahy. Maratra mafy tokoa io olona io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, tonga tao amin’ny tanan’Ambodiriana ny bandy fito nitondra basy. Trano iray no voalaza fa notafihan’izy ireo. Rehefa tafiditra ry zalahy, tsy fantatra izay zavatra niseho fa araka ny vaovao, nanohitra ny zanaky ny tompon-trano. Tsy nihambahamba ireo olon-dratsy fa avy hatrany dia nitifitra. Rehefa tsy nisy sahy nihetsika intsony, lasan’izy ireo ny vola 200 000 ariary sy entana maro. Raha vao nahazo izany izy ireo dia lasa.

Ny vaovao hatrany no hilazana fa tsy nionona tamin’izany ireto jiolahy ireto fa nifindra tany amin’ny fokontany antsoina hoe Ambatolalaky. Tao amin’io toerana io dia eo amin’ny folo eo ny trano voaroba, nisy fivarotana, nisy tranon’olon-tsotra. Noteteziny avokoa izany. Tamin’ny toerana sasany, toa tsy nahazo na inona na inona izy ireo. Rehefa azony ny vola dia lasa ireo mpangalatra ireo. Voalaza moa fa hatrany amin’ny 13 tapitrisa ariary ny vola very tao amin’io fokontany io. Mba tsy nampiasa basy ry zalahy fa nandroba fotsiny. Efa dila izy ireo vao nisy nampandre ny zandary miasa any amin’iny faritra iny. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Ireo jiolahy mbola tsy nisy tratra.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser