Niverina indray ny barazy fanaon’ny mpianatra eny Ankatso. Araka ny vaovao voaray mantsy mpianatra eo amin’ny 20 teo no nanao izany teny an-toerana ny asabotsy teo, entina hanoherana ny fanesorana ireo ankizy tsy mianatra eny amin’ny oniversite, ataon’ny CROUA na “Centre Régionale des Œuvres de l’Université d’Antananarivo”. Nanambara moa izy ireo fa: « Maro aminay no avy lavitra. Misy amin’ireo zandrinay koa anefa no manao fanadinana hidirana taona voalohany miakatra eto Andrenivohitra, izay tsy manana fianakaviana azo hipetrahana. Noho izany, tsy maintsy mijanona ato aminay izy ireo. Raha sanatria anefa tsy tafiditra amin’ny fifaninana dia manao zavatra hafa mandra-piandry ny fanadinana manaraka. ». Mitaky ny famoahana mialoha ny volana jona izao ny lisitr’ireo mpianatra afaka mipetraka eny amin’ireo trano roa vaovao koa izy ireo. Raha tsy tontosa mantsy izany, hoy ihany izy ireo, “dia tsy hanaiky fa handray andraikitra”. Etsy ankilany, Nisy mpianatra hafa nanambara fa nisy ny fihaonana tamin’ny CROUA ny zoma hariva teo. Vokatr’izany: esorina amin’ny fikambanan’ny mpianatra sy ny Croua ny fizarana ny trano fa ankinina amin’ny oniversite. Nanambara anefa ny avy ao amin’n’ity sampan-draharaha misahana ny fizarana ny trano eny Ankatso ity fa tsy mbola misy ny azo resahina mahakasika an’io fizarana trano io. Ny mpianatra koa anefa mangataka ny mba hamerenana amin’ny fikambanan’ny mpianatra ihany ny fizarana ny trano, satria samy manana ny isan’ny mpianatra mandranto fianarana eto Antananarivo ny faritra tsirairay avy. Tantara mitohy.
Arnaud R.