Ny alahady alina, tokony ho tamin’ny 11 ora no nahitan’ny fokonolona fa vaky ny fasana roa eny Ambihibe Ilafy. Omaly maraina kosa no hitan’ny fianakaviana izany. Razana miisa 70 no indray very tao amin’ireo fasana roa ireo. Araka ny fanazavana azo, nakorontan’ireo mpamaky fasana ambony ambany ny razana rehetra. Ny taolan-dava rehetra nalain’ny jiolahy tao ka ny karandoha sisa tavela. Tonga teny an-toerana ny zandary sy ny fianakavina nizaha ny zava-misy. Gina tanteraka ireo fianakaviana very razana. “Tsy ho hita intsony ny taolambaloan’ireo ray aman-dreny?”, hoy ny fianakaviana vonton’alahelo. Araka ny fanazavana ihany, olona any amin’ny 10 lahy vao mahabata ny varavaram-pasana eny amin’ireto fasana ireto. Mety ho efa 10 lahy mahery ireo jiolahy nanao ny asa ratsy, ary nanam-potoana lavabe nanaovana izany. Ity faritra eny Ilafy ity, izay anisan’ny ahenoana vaky fasana matetika. Maromaro ihany ny toerana ahitana izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy mbola nisy ny olona tratra tamin’izany tamin’ireo vaky fasana nahazoana fitarainana tamin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo. Tsy mazava ihany koa raha tena misy mandray ny taolam-paty na tsia, fa indraindray misy manary eny amin’ny fako na sisin-dalana eny rehefa tsy lafo. Tsy ampy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra momba ny vaky fasana sy ny halatra taolampaty. Manan-kasina amin’ny Malagasy anefa ny razana, ka mahatsiaro tena ho voazimbazimba ny fasana sy ny fianakaviana amin’ny tranga toy izao.
D.R