- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPolisy naomono tena : Nalefa any Antsohihy ny razana, mitohy ny fanadihadiana

Polisy naomono tena : Nalefa any Antsohihy ny razana, mitohy ny fanadihadiana

Omaly no niainga teto Antananarivo mba hiazo an’Antsohihy, tany niaviany, ny vatana mangatsiakan’ilay Polisy maty heverina hatreto fa namono tena tao an-tranony teny Tsarahonenana ny Alahady lasa teo. Araka ny fantatra tokoa, raha ny zava-miisy manodidina ity fahafatesana tampoka ity, dia milaza ny eo anivon’ny Polisim-pirenena fa mitohy hatrany ny fanadihandiana na dia fantatra aza fa ny basin-dRatompokolahy ihany no nahafaty azy. Tifitra teo amin’ny faritry ny lohany no nanavoa azy ary ny fanambarana rehetra manodidina izany dia toa milaza fa namono tena ity Polisy ity. Saingy hatreto, raha araka ny vaovao farany, dia mbola mitohy ny fanadiahadiana ny amin’ny mety ho nahatonga izay famonona-tena izay raha izany tokoa no marina. Olona tsy nanana olana teo amin’ny toeram-piasany tokoa Ratompokolahy raha araka ny fanambarana nataon’ny lehibeny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici