- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanasy : Jiolahy maty voatifitra, nandoavana 600 000 ariary ny bala tavela...

Ambalamanasy : Jiolahy maty voatifitra, nandoavana 600 000 ariary ny bala tavela tao aminy

Taorian’ny nahalalan’ny fianakaviana ilay maty voatifitry ny zandary tao Ambalamanasy, raha voalaza fa tratran’ny fokonolona am-bodiomby namaky trano, sy voalazan’ny vahoaka ao Ambalamanasy, fa isan’ireo “bande des onze”, dia nalain’ny havany tao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly be ny razana; izay mbola nandoavana vola 600 000 ariary vidin’ny bala tavela amin’ny vatan’ity maty vao azo nalaina ny razana. Nandritra izany no nilazan’ny zokiny, teo imason’ny mpanao gazety sy ireo olona nitangorona nijery azy ireo namoaka ilay faty, fa “tsy jiolahy izany ny zandriko, ka tsy maintsy hitory izay nahavita namono azy izao izahay fianakaviana, fa aleo aloha karakaraina ny fandevenana azy, aoriana izay ho hita eo ny tohiny”, hoy ingahy. Raha ny fanazavana nomen’ity zokin’ny maty ity dia ity rangahy misandoka ho sefo fokontany ao Ambalamanasy ity no tena fosotra amin’izao naha-voatifitra azy, ny alahady teo tamin’ny alalan’ny balan’ny zandary. Voalaza, fa io olona misandoka ho sefo fokontany io no nitondra zandary tao an-tranony  ka nisambotra azy ary nofatorana rojo vy ny mpitandro ny filaminana izy tamin’izay, tsy namaly ireo zandary nisambotra azy koa ingahy tamin’izay hoy ity zokiny ity fa nanaraka izay natao azy fotsiny.

Talohan’izao raharaha izao anefa namonjy alim-pandihizana tao amin’ny tokantrano iray ity maty voatifitra ity, tamin’izay dia nisy ady tao amin’ilay alim-pandihizana hay mpitandro filaminana efa mamo no niady taminy tamin’izay fotoana izay. Raha nahalala izany izy, dia nifona sy nandoa vola 40 000 ariary ho vidin’ny fifonana nataony taminy izy. Raha izao zava-misy izao izany, dia samy manana ny fahitany ny raharaha ny rehetra, koa ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici