- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Ankizivavy 12 taona, naolan’ny roa lahy mpiandry omby

Nosy Varika : Ankizivavy 12 taona, naolan’ny roa lahy mpiandry omby

Nahazo laka tato ho ato ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny adolantsento. Ankizivavy iray sahabo ho 12 taona eo no simba tanteraka naolana roa lahy voalaza fa mpiandry omby, ny talata teo, tany Nosy-varika. Araka ny tati-baovao voaray, dia teo am-pantsakana rano teny an-drenirano ity zaza tsy ampy taona ity no nobedain’ireto mpiarak’andro, ary nentin’ ireo tsy mataho-tody tany anaty kirihitr’ala. Rehefa safotra tsy nahatsiaro tena noho ny daroka sy vono nihatra taminy ity tovovavy kely niezaka nanohitra, dia nanamparan’ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsy tamin’ny firaisana ara-nofo tambabe mamohehitra. Hatramin’izao, raha ny akom-baovao azo hatrany, dia mbola tsy hita ary tsy fantatra ny toerana misy azy roa lahy, voalaza fa mpanolana nitsoaka, na dia nokarohina fatratra aza.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici